Nisehoana tranga nampihoron-koditra ny mponina omaly, tany amin’ny Kaominina Andasibe Distrikan’i Moromanga. Ankizivavy roa mpianatry ny CEG Andasibe, kilasy “5ème” sy “3ème” no nihetsika aretina hafahafa “ambalavelona satanika” tao an-tsekoly. Raha vao nanomboka kelikely ny fampianarana tamin’ny valo ora maraina, tao amin’ny kilasy fahadimy, dia safotra tampoka teo ity mpianatra iray, ka nentin’ireo mpampianatra novelomina haingana tao amin’ny biraon’ny trano famakiam-boky. Raha mbola samy nanao ny fikarakarana azy ny rehetra, nanomboka teo ny fihetsika mahery sy nitabataba niteniteny toy ny hoe : “satanika izahay, maromaro izahay no miaraka ary amin’ity taona ity 2018 ity dia tsy maintsy ho azonay ny fitondrana . . .”, ary tsy laitra notazonina ity tovovavy kely, fa lehilahy efatra tsy mahatazona azy. Tonga saina ny sasany tamin’ ireo mpampianatra ka lasa naka baiboly, fa sao dia asan-devoly ny tranga toy itony. Tampoka teo anefa nitsambikina ny varavaran-kely ilay ankizivavy narary ary tafahoatra tany ivelany, ka nifanenjehana ary tany amin’ny 100 metatra miala ny faritry ny sekoly vao tratra. Nanoloana an’ity tranga ity, dia nandray andraikitra avy hatrany ny Talen’ny Sekoly niantso ny Mpitandro filaminana sy ireo manam-pahefana teo an-tanana ary Mpitondra fivavahana isan-tsokajiny. 30 minitra taorian’izay, nihetsika aretina hafahafa ihany koa ny mpianatra tovovavy iray tao amin’ny kilasy fahatelo, ka nanao fiteny sy fihetsika mitovy amin’ilay voalohany. Nomarihan’ny tati-baovao voaray, fa sady tsy mpinamana no tsy misy mifandray ireto mpianatra roa vavy voan’ity tranga hafahafa ity, ary mbola mifanelanelana efatra kilaometatra eo ny toeram-ponenan’izy roa. Voalazan’ilay mpianatra nihetsika ambalavelona voalohany ihany fa : “io voa io koa efa namanay ary tsy maintsy mbola haka namana maro be eto izahay”. Taorian’ny vavaka nataon’ireo mpitondra fivavahana moa dia nisava ilay tranga hafahafa. Teo anatrehan’ity tranga ity, mba tsy hiparitahan’ny aretina, dia nandray fanapahan-kevitra ny Talen’ny CEG Andasibe, ka nampiato avy hatrany ny fampianarana tamin’ireo kilasy rehetra.
Eric Manitrisa