Lasa fomba fanao ve? Lehilahy iray manodidina ny 24 taona no notsatohan’ny vadiny zava-maranitra teo amin’ny tratrany manakaiky ny fony, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo, teny Andavamamba Anjezika. Noezahina nentina tany amin’ny tobim-pahasalamana ny tenany saingy tsy avotra intsony noho ny fahaverezan-drà be loatra. Hatreto dia mbola tsy fantatra izay tena nahatonga izao ady niafara tamin’ny fandatsahana aina izao, araka ny filazan’ireo mpitandro filaminana. Ny hany fantatra dia efa mpifamaly lava izy ireo ary niantsoana fokonolona mihitsy vao tafasaraka. Tamin’ity indray mitoraka ity, ny alahady hariva, tokony ho tamin’ny enina ora teo dia velona indray ny fifamalian’izy mivady. Efa nivoa-drà sy tsy nahatsiaro tena intsony rangahy, noho ny fikasihan-tanana niaraka tamina vy maranitra nataon-dramatoa vadiny azy, vao tonga ny vaomieran’ny fandriam-pahalemana, nanasaraka ny adin’izy ireo. Ary nitondra ity naratra tany amin’ny hôpitaly. Indrisy anefa fa nahazo ny fony ilay ratra ka namoy ny ainy ilay rangahy. Taorian’izay vao niantso ny pôlisy ireto fokonolona ireto. Tonga avy hatrany teny an-toerana ireto farany. Mbola nifampitadiavana aza ilay ramatoa nahavanon-doza. Araka ny fantatra mantsy dia nitsoaka ity farany raha vao nahare fa maty ilay rangahy. Tsy lasa lavitra anefa fa teny an-toerana teny ihany dia voasambotra ary nentina natao fanadihadiana. Ny pôlisy misahana ny heloka bevava moa no nandray ny raharaha, raha ny vaovao azo. Toa lasa fahazaran’ireo tsy mataho-tody indray tato ho ato ity famonoana vady, miafara amin’ny fahafatesana ity. Vao tamin’iny herinandro iny mantsy no nitrangan’izany teny amin’iny faritra Imerinafovoany iny. Nisian’izany ihany koa tany amin’ny faritra. Mazàna dia io resaka hasarotam-piaro io no tena fototry ny olana.
m.L