Fitsaram-bahoaka hafa kely indray no nitranga teny Andavamamba manakaiky ny CENAM, ny asabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany hariva. Mpandalo iray no niantso vonjy fa nisy nanendaka raha nandalo iny toerana iny. Voalaza fa lasan’ilay mpanendaka ny finday teny an-tànany. Ireo rehetra nanatri-maso koa tsy nihanona nihaino izany fitarainana izany fotsiny, fa avy hatrany dia rifatra nanenjika an’ilay voalaza ho nanendaka. Azo soa aman-tsara ilay lehilahy, saingy tsy nisy nitondra teny amin’ny manam-pahefana aloha izy fa nanaovan’ny olona ny fitsarany teo. Notaritaritin’ny olona tamin’ny vozon’akanjony teny afovoan’ny arabe ity farany ho hitan’ny olona rehetra ary nalàn’izy ireo ihany koa ny akanjony. Takon-kenatra sisa no hita teny aminy. Tsy vitsy tamin’ireo izay nandalo teny no nahita izany tranga izany, eny fa hatramin’ireo izay tany anaty “taxi-be” aza. Nisy tamin’ireo nanatri-maso ny zava-nitranga rehetra no nanamarika fa, efa ela io lehilahy io no nanao izao asa ratsy izao. Anisan’ireo mpanendaka mampikaikaika ny mponina hatramin’ny mpampiasa ny làlana eny amin’iny faritra iny izy ity. Manamarina an’izany ny nahatrarana karazana finday maro tany am-paosiny rehefa nosavaina ny akanjony, nialoha ny nanalàn’ny olona izany. Tsy mahagaga rahateo izany satria iny toerana iny dia efa ela no voasokajy ho isan’ireo tena “faritra mena”. Taorian’ny nanaovan’ny olona azy, fantatra fa nentin’ny olona teny amin’ny polisy ihany ranamana.
Niony H.