- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Voaroba indray ny iray taxi-be

Andavamamba : Voaroba indray ny iray taxi-be

Amin’ny sivy ora maraina, tetsy anoloan’ny Aft Andavamamba, ny talata lasa teo, no nisy efa-dahy niditra tao anaty taxi-be iray izay hiditra an’Analakely rehefa avy mandalo an’Ampefiloha. Navoaka ny basy ary nampitahorina tamin’izany ireo mpandeha rehetra tao anatin’ilay fiara fitaterana. Amin’ny andro antoandro, tokony ho amin’ny folo ora, no nisehoan’izany fanafihan-jiolahy izany. Nasaina nanohy ny lalany ihany ny mpamily ary ireo tao anatiny kosa naka izay azon’izy ireo nalaina. Tsy naka akory aza, raha araka ny fanazavan’ity tovovavy iray izay handeha haka vatsim-pianarana eny Ankatso, fa kosa natolotra azy ireo izay azo nomena. Efa nisy zavatra fasiana izany teny amin’ireo jiolahy ka notatazana tamin’izany fotsiny ny vola, ny finday ary koa ny firavaka. Izay tsy nanana dia voafelaky ny tehamaina. Vita izay dia nidina fotsiny ireo olon-dratsy ary niala moramora tsy nihazakazaka akory. Fanintelony izay no nitranga ity fanafihana anaty fiara fitaterana ity tao anatin’ny roa herinandro. Ny voalohany tetsy Betongolo ary amin’ny andro amin’ny folo ora. Ny faharoa kosa dia tetsy Ambodinisotry ary tao anaty fitohanana amin’ny enina ora sy sasany hariva. Mihorohoro izay olona tratran’ity karazana fanendahana vaovao ity. Toa ireny eny amin’ny lalam-pirenena ireny ny zava-mitranga nefa kosa dia eto Antananarivo renivohitra. Andrasana ny fitadiavam-bahaolana ataon’ny mpitandro ny filaminana satria mihatra mivantana amin’ny fiainana andavan’andro ity fanendahana anaty taxi-be ity.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici