- Publicité SW45 -
mardi, décembre 3, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkadinondry Sakay : Andian-jiolahy mpanakan-dalana voasambotra

Ankadinondry Sakay : Andian-jiolahy mpanakan-dalana voasambotra

Izy dimy mirahalahy mianaka mpanakan-dalana !

Tokony ho tapa-bolana lasa izay, nitrangana fanakanan-dalana tany amin’iny faritra Ankadinondry Sakay iny. Fiarabe mpangom-bokatra iray no lasibatra ka nahazoan’ireo olon-dratsy vola mitentina folo tapitrisa ariary. Andro maromaro taty aoriana, nisy tamin’ireo jiolahy no tratra ny zandary ary nanao tohivakana avy eo ny fisamborana. Tafakatra dimy hatreto no eo am-pelatanan’ny zandary ary mbola mitohy ny hazalambo. Raha ny fantatra dia efa saika navadik’izay ho zavatra hafa avokoa ny anjara-vola halatra azo tamin’ireo fanakanan-dalana io. Ny sasany, nividianany omby mpianaka, ny an’ny sasany nividianana finday « android », sns. Nisy kosa ireo mbola nanafika ny ampaham-bola tsy lanin’izy ireo. Mazava ho azy fa nogiazana avokoa moa izany taorian’ny nisamborana ireto farany. Na izany na tsy izany aza, dia mbola misy ireo naman’ireto efa voasambotra ireto no miriaria any sy misy manafina. Raha hiverenena ny zava-nitranga ny andron’ny 10 novambra lasa teo, dia fiarabe mpanangom-bokatra iray no notafihana dahalo telolahy mirongo basy. Novakian’izy ireo ny fitaratry ny fiara ary lasa ny vola tany amin’ny mpamily. Nanomboka tamin’izay ny fotoana izay ny fikarohana sy ny fitsongoana dia nataon’ireo mpitandro filaminana. Nifanomena tanana ireo zandary tamin’ireo faritra manodidina. Ka io niafara tamin’ny fisamborana ny iray tamin’ireo olona nanao ny fanafihana tao Ambohitromby. Nitohy tamin’ny fisamborana ny efa-dahy mianaka tao Ambavahady Anosy kosa izany, fotoana fohy taty aoriana. Ny roa tamin’ireo, hoy ny zandary no tena nandray anjara nivantana tamin’ilay fanafihana. Ny ambiny kosa, mpiray tsikombakomba tamin’ny fihinanana ireo vola halatra sy ny fanafenana ireo olon-dratsy. Ilay mpandray anjara mivantana fahatelo kosa hatreto no tsy mbola hita tany nanjavonana, kanefa, heverina fa tsy ho ela dia ho eny am-pelatanan’ny zandary ihany koa, raha ny fanazavana azo. Ankoatr’ireto olombelona voasambotra ireto dia hita tany amin’izy ireo ihany koa ny fitaovam-piadiana nampiasaina : basy vita gasy miisa roa.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici