- Publicité SW45 -
mercredi, novembre 13, 2024
AccueilÀ lireSambava : Andiana mpangalatra saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Sambava : Andiana mpangalatra saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Tao toerana iray fantatra amin’ny anarana hoe Koweit, ao amin’ny fokontany Soavinandriana, distrikan’i Sambava no fantatra fa toerana fieren’ireto olon-dratsy ireto, raha ny fampitam-baovao. Notongavan’ny fokonolona avy hatrany tao izy ireo, ary tsy afa-niala intsony. Soa ihany, tonga ara-potoana ny pôlisy nisambotra azy ireo. Lehilahy miisa efatra no tra-tehaka niaraka tamin’ny entana halatra tany amin’iny faritra Sava iny, ny voalohandohan’ny herinandro teo. Araka ny fantatra dia anisan’ireo andian-jiolahy nampitondra faisana olona maro tany an-toerana izy ireto. Efa maro loatra ireto lasibatra ka nahatonga ny fokonolona nivondrona, nikaroka izay nisy azy ireo. Tao amin’io toerana iray, fantatra anarana amin’ny hoe Koweit ireto no nahitan’ny olona azy ireto. Anisan’ny nampiahiahy ny rehetra mantsy no nahitàna entana maro samihafa, tsy fantam-piaviana tao amin’izy ireo. Tsy nisalasala araka ireo fokonolona nidina teny amin’ilay toerana nisy ireo olon-dratsy ireto ary niezaka nanodidina ny tranony, tsy hahafan’izy ireo mikofoka sy mitsoaka intsony. Efa saika tsy navelan’ireto mpisambotra hiala maina ireto olon-dratsy, saingy tonga ara-potoana nanakana ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka moa ny pôlisy. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny mpitandro filaminana ireto efa-dahy tratra tao amin’ity toerana ity, ho amin’ny famotorana azy. Nogiazana kosa ireo entana rehetra tsy fantatra fototra sy fiaviana tao amin’izy ireo. Efa natolotra ny Fampanoavana tany an-toerana moa ireto andian’olon-dratsy ireto.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici