- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversAndodabe : Efa nahazo fandrahonana mialoha ilay lefitry ny ben’ny tanana…

Andodabe : Efa nahazo fandrahonana mialoha ilay lefitry ny ben’ny tanana…

Voaporofo izao fa tena valifatin’ireo andian-jiolahy nanafika tany an-toerana, roa taona lasa izay, no nanjo ny lefitry ny ben’ny tanan’Andodabe. Fanafihana azy sy ny zanany vavy tamin’ny basy ka nitifiran’ny telo lahy manao saron-tava sy nitondra PA no nitrang raha hiverenana kely. Nodorana ny tranony avy eo. Nivoaka tamin’ny fahanginany izy nandritra ny resaka nifanaovana taminy izay mbola mitsabo tena eo anivon’ny hopitaly oniversitera Morafeno (Hopitaly manaram-penitra teo aloha). Nohazavainy ary mbola nohamafisin’ny zanany lahy mipetraka eto Toamasina ihany koa, fa efa nahazo taratasy fandrahonana tamin’ireo andian-jiolahy ireo ny tenany mialohan’izao fanafihana azy tao Andodabe izao. “Miomana ianao fa ho avy izahay, tsy maintsy matinay ianao ho valin’ny raha nataonay anay…” izay no isany voarakitra tao anatin’ity taratasy fandrahonana ity. Tany amboalohany dia tsy nihevitra ilay taratasy ho “marina” ity lefitry ny ben’ny tanana, raha tsy efa tonga tokoa tokony tamin’ny 09ora alina nanafika azy sy nitifitra avy hatrany vao niditra ny trano ireo andian-jiolahy ireto. Efa eo am-pelan-tananan’ny zandary misahana ny fikarohana momba ny heloka be vava ny raharaha.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici