- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndohalo : Lehilahy maty novonoin’ny mpiambina « parking »

Andohalo : Lehilahy maty novonoin’ny mpiambina « parking »

Vono olona nahatsiravina no nitranga teny amin’iny faritra Andohalo iny ny alin’ny zoma lasa teo. Rehefa tsy nety nesorin’ity mpiandry « parking » iray ilay olona sendra tafatory teo amin’io toerana io dia novonoiny ho faty. Andron’ny zoma manifika, teny La Haute. Tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any, lehilahy iray no nandry an-dalam-be ary natory teo amin’ny toerana fiantsoan’ny fiara teo Andohalo. Araka ny fantatra dia nikasa ny handeha hiandry faty teny Itaosy ity ranamana ity, kanjo sendra ny zava-nisy ka dia io tafatory io. Hitan’ity lehilahy, mpiambina izany « parking » izany ity farany ary norohany hiala teo amin’izany toerana izany. « Tsy nanaiky anefa io lehilahy io ka nanomboka teo ny fifamaliana ary niteraka disadisa sy ady teo amin’ny roa tonta. » hoy ny fampitam-baovao azo. Niainga tamin’ny fifanasàna vangy aloha ary niafara tamin’ny fampiasana sandry. Niezaka nitsoaka ilay mpatory an-dalana saingy mbola nohenjehin’ity mpiambina ihany, ary tsy namelàny raha tsy tratrany tany ananona tany. Nihoson-drà tanteraka ny fitafian’ity farany nony niverina avy any izy, araka ny fitantaran’ireo namany, izay tsy nahafantatra sy nahazo an-tsaina velively ny zava-nisy. Saingy naheno ny adin’izy roa lahy. Ny marain’ny sabotsy, vatana mangatsiaka milona tao anaty rà mandriaka no nisy nahita teo amin’ny lalana « Rue Rajoro Justin Andohalo ». Polisy avy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa, mpanao fisafoana ireo. Potika sy raparapa tanteraka ny tarehin’ity lehilahy ity, raha ny fitsirihana nataon’izy ireo. Azo noheverina avy hatrany fa maty novonoin’olona ity lehilahy ity ka nampandrenesina ny pôlisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava. Natao avy hatrany ny fanadihadiana sy ny fikarohana izay mety ho nahavanon-doza taorian’ireo fitsirihana isan-karazany sy ny fitondràna ny razana tany amin’ny tranom-paty. Tsy niandry ela akory dia fantatra ny tompon’antoka tamin’ity tranga ity. Mpiambina toeram-piantson’ny fiara tsy lavitra teo. «  Nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity izay mbola teo amin’ny toeram-piasany ny andro nahitàna ny razana » hoy ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny pôlisy. Tamin’io fotoana io ihany moa ity farany dia nentina nihazo ny birao ary nanaovana famotorana. Niaiky tokoa ingahirany fa izy no namono nahafaty ity lehilahy natory teo amin’ny toerana nambenany ity. « Lakile no namonoany ity olona ity izay nataony tamin’ny totohondry izany. Ka niafara amin’izao famonoana olona izao » hoy hatrany ny vaovao. Marihana raha ny fanazavana azo hatrany fa malaza loatra ho mpisetrasetra eny amin’iny faritra iny ity mpiambina ity, ary efa avy nigadra tany Antanimora, rahateo ny lehilahy. Omaly no fantatra fa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ity mpiambina « parking » mpamono olona ity ary nadoboka am-ponja vonjimaika.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
355,680FansAimer
2,515AbonnésSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici