Ny talata alina lasa teo, lehilahy iray voatondro ho mpamosavy, no niharan’ny fitsaram-bahoaka, teny amin’iny faritry ny “La Haute” iny. Raha ny voalazan’ireo olona teny an-toerana, dia tratra teo am-pianihana tambohon’olona ity ranamana ity. Rehefa nanontaniana izy dia nilaza fa olona tao amin’ilay trano. Tsy nisy nahafantatra azy anefa ny tao amin’ity tanana ity. Izy rahateo, raha ny fanazavana azo tamin’ny fokonolona hatrany, dia toa mihoso-menaka izany, ka antony nahatonga ny olona nihevitra avy hatrany ho mpamosavy. Niara-nirohotra avokoa ireo vatan-dehilahy teny an-toerana, samy nidaroka ity lehilahy ity. Ary rehefa samy afa-po tamin’ny daroka izy ireo, dia naterina teny amin’ny biraon’ny pôlisy ity lehilahy ity. Araka ny fanazavana nomen’ny tomponandraikitry ny mpitandro filaminana misahana iny toerana, rehefa nanao ny fanadihadiana izy ireo dia fantatra fa lehilahy misy aretina ity voalaza ho mpamosavy ity, fa tsy araka ny niheveran’ny olona azy akory. Izany dia araka ny nambaran’ireo havany tonga teny amin’ny biraon’ny pôlisy. Hatreto raha ny fantatra, dia mbola notazonina eny an-toerana izy, raha ny fanazavana azo hatrany.
m.L