- Publicité SW45 -
mardi, janvier 21, 2025
AccueilFaits-DiversAndohamandry : Bodoin’olon-tokana mahitahita ao amin’ny fitsaràna ny fonenan’olona

Andohamandry : Bodoin’olon-tokana mahitahita ao amin’ny fitsaràna ny fonenan’olona

Na dia eo tokoa aza ny ezaka ataon’ny eo anivon’ny Ministera tompon’andraikitra, entin’izy ireo hamerenana indray ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fitsaràna, dia mazàna misy karazan’olona minia manimba tanteraka izany endrika hezahin’ireo tompon’andraikitra hapetraka izany. Toy ity zava-mitranga etsy Andohamandry, La Haute Ville ity. Araka ny fitarainan’ireo mponina dia misy olona manao bodongerona tsotr’izao ny tany sy ny trano efa nipetrahan’izy ireo, amam-polon-taonany maro. Tany manodidina eo amin’ny 80ara eo, ary efa misy tokatrano am-polony maro sy hipetrahan’olona an’arivony mahery. Olon-tokana ity sahy misetrasetra miady amin’ny valalabemandry ity, izay milaza azy ho mpiasa eny anivon’ny Fitsaràna, « tsy matahotra an’iza an’iza » ary « manana mpiaro sy lavatanana ».

« Efa noraisinay ho adidy amin’ny maha solon-tenam-panjakana anay ety ifotony ny nandravina ny raharaha. Fampanatonana ity olona ity sy ireo vahoaka manana ny tany sy trano, saingy tsy hita be ihany ny zavatra tapaka. Izy rahateo milaza ny tsy hihemotra amin’ny zavatra efa nokasainy atao »  hoy ny fanazavana nentin’ny Sefo fokontany lefitra teny an-toerana. « Ataonay fa tsy rariny ny zava-miseho, raha ohatra ka olona iray no hiady amin’ny vahoaka an’arivony, ary vao mainka tsy rariny raha olona iray vao tonga taty aoriana no handroaka mponina efa niaina amam-polo taonany maro teo amin’ny tany nohajariany ».

Marihana fa tanim-panjakana raha iny Andohamandry iny, ary tsy mbola misoratra amin’iza na amin’iza hatreto. Na izany aza, efa miezaka hatrany ireo mponina manao ny dingana rehetra amin’ny fangatahana izany tany izany ho amin’izy ireo. Efa tany amin’ny 1961 tany ho any no efa nipetraka sy nanajary izany ny sasantsany tamin’ireo olona monina eny, raha mbola kirihatra tsy nifankahitana ny teny an-toerana. Raha ny ankabeazan’ireo tokatrano amam-polony ireo dia saika efa nihoatra ny 20 taona avokoa ny nipetrahany tamin’izany toerana izany. Efa nanao ny taratasy rehetra izy ireo ary efa nidina teny ireo tompon’andraikitry ny fananan-tany. Miandry izay ny fivoahanan’ny fangatahana sisa.

Taty aoriana anefa dia tonga ity olona iray ity, araka ny voalazan’izy ireo, dia milaza ho tompon’ny tany rehetra amin’io toerana voalaza io ary manao izao karazana ramatahora isan-karazany izao amin’ireo mponina. « Ekena fa efa tonga taty ny tompon’andraikitry ny fananan-tany, nanao ny fanadihadiana rehetra taminay ireo, saingy matahotra ihany izahay. Miahiahy fatratra ny aminy ataon’ity olona, izay milaza ho mpiasan’ny fitsaràna ity sy mibodo tsotr’izao ny tany » hoy Rtoa Larissa, nitondra ny feon’ireto vahoaka ireto. Manao antso avo tanteraka ny fitondram-panjakana araka izany ireto vahoaka ireto, mba hijerena azy ireo. Hiaro azy ireo amin’ireo mpanao kely tsy mba mamindro sy mpanampatra fahefana. Raha ity ramatoa ity mantsy, raha ny fitantarany dia saika hiharan’ny antsojay foana avy amin’io olona io. Izy sy ny fianakaviany mihitsy. Ny vadiny, talohan’ny nialànay teny an-toerana dia handeha hiomana ho any amin’ny pôlisy. Notoriana fa hoe nanao herisetra tamin’ilay olona. « Zavatra izay tsy misy akory », hoy izy ireo.

Niezaka nitady ity olona voalaza ity moa izahay, saingy voalaza fa tsy hita teny an-toerana izy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici