- Publicité -
jeudi, septembre 3, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndohamandry : Mpanasa fiara mpangalatra, niharan’ny hatezeram-bahoaka

Andohamandry : Mpanasa fiara mpangalatra, niharan’ny hatezeram-bahoaka

Saika hanao ny asa ratsiny tao amin’ny toeram-pivarotana iray tetsy Andohamandry ity farany no nisy nahatsikaritra. Romotra ny olona. Raikitra ny daroka isan-karazany. Soa ihany, tonga teny nanesotra ity farany teo ambany hatezeran’ireo olona ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa, raha tsy izany dia efa saika ny ain’ity olon-dratsy ity no nanaraka. Tranga niseho teny Andohamandry omaly maraina.

Lehilahy 42 taona izy io, ary irony mpanasa fiara eny amoron-dalana irony. Ramatoa mpivarotra iray teny an-toerana no saika nataony lasibatra. Raha iny variana nandray mpividy hafa iny mantsy izany ramatoa izany no nanararaotra nitsaika tsimoramora ny entana namidin’ity ramatoa ingahirainy. Izay heverina fa efa fomba fanaony saingy tamin’ity indray mitoraka ity ranamana no nahavoa mason’angatra amin’izay. Sendra nisy nahita mantsy izany zavatra nataony izany ka nihorakorahan’ny olona. Nandositra avy hatrany ity farany saingy nifanenjehan’ireo fokonolona ary tsy namelan’izy ireo raha tsy tratrany.  “Niakatra ny hatezeran’ny olona ka soa fa tonga ara-potoana ny polisy miasa ao amin’ny CSP 2 Ambohijijatovo ka tsy nisy natahorana ny ain’ilay nahavanon-doza izay saika niharan’ny fitsaram-bahoaka” hoy ny vaovao. Marihana mantsy fa tamin’io fotoana io ihany koa dia efa nisy nampilaza ireto pôlisin’Ambohijatovo ireto. Naratra noho ireo vono saingy avotr’aina ingahirainy. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisaria moa ity mpangalatra ity, hanohizana ny fanadihadiana mahakasika azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici