- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversAndohanimandroseza : Mpiasa an-trano naolan’ny jiolahy, tao anaty Villa

Andohanimandroseza : Mpiasa an-trano naolan’ny jiolahy, tao anaty Villa

Tsy tao an-toerana ny tompon’ny trano fa vehivavy mpanampy an-trano kosa no niambina ny toerana. Tokony ho tamin’ny 11 ora alina, ny alatsinainy lasa teo, no niditra an-keriny tao ny dimy lahy mitam-basy ary nanafika an-kitsirano. Basim-borona iray sy basy vita gasy no tsikaritr’ilay mpanampy an-trano; izay tsy afa-nanoatra satria sady tsy vitan’ny be noho ny vitsy fa mbola voarahona tamin’ny basy ihany koa. Tsy vitan’ny nibata izay azony nobataina ireo olon-dratsy, fa mbola nanolana io mpanampy an-trano io koa. Nanaram-po mihitsy ireo satria tsy nisy nahatsikaritra mihitsy na ny nidirany tao an-trano na ny nivoahany, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Rehefa vita ny fanararaotana ilay vehivavy, dia nobataina ny “ordinateur portable” iray, ny finday ary ny “décodeur” fampiasa amin’ny fahitalavitra. Nanamarika ihany koa ilay vehivavy niharan’ny ratsy rehetra, fa manao fiteny tsy avy eto Andrenivohitra ireo mpandroba sy mpanolana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici