- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Andiana mpangalatra tratra niaraka tamin’ny entana

Andoharanofotsy : Andiana mpangalatra tratra niaraka tamin’ny entana

Miandahy miambavy amin’izao ireo olon-dratsy, ary efa miditra an-tsehatra ihany koa ireo sarim-bavy. Lehilahy roa, vehivavy iray, ary sarim-bavy iray, andiana mpangalatra mpamaky trano no voasambotry ny zandary teny Andoharanofotsy ny faran’ny herinandro teo. Trano maromaro teny amin’iny faritra Andoharanofotsy sy ny manodidina iny no efa lasibatr’ireto andian-jiolahy ireto. Tsy afa-bela tao anatin’izany ihany koa ny fiangonana. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary dia nasesin’ireto olon-dratsy ireto novakiana ny tokantrano maromaro teny an-toerana, nanomboka tany amin’ny tokantranon’olon-tsotra, nandalo tamina tsena, ny fiangonana, ary niafara hatramin’ny tranon’ny Ben’ny tanana teny an-toerana. Niseho ho tsy tratran’ny aloka mihitsy angamba izy ireo tamin’izany asa ratsiny izany, ka tany am-bavan’ny liona mihitsy no  nitonantonana. Mody nilaza ho ilay mpiandry ny tanan’ity farany mantsy izy ireo tamin’izany, kanjo efa fantatr’ilay tompon-trano mialoha fa tsy izy ka avy hatrany dia niantso ny zandary ilay Ben’ny tanana sy nampaneno ny “sirène” tao aminy. Tao anatin’izany ihany koa anefa dia efa nanao savahao ny manodidina ireto mpitandro filaminana ireto, taorian’ny antso vonjy nataon’ireo tokantrano marobe efa voaroba. Nitsoaka teo ireo olon-dratsy ary nifampitadiavan’ny olona sy ny mpitandro filaminana. Ora vitsy taty aoriana no sarona ny iray tamin’ireo mpangalatra; izay mbola nahitana zavamaneno avy nangalarina tao am-piangonana teny aminy. Nisy kavina volamena hafa koa, hita tany aminy. Ity farany indray avy eo no nanoro ny namany, izay noraisim-potsiny teny Ambohimanga. Mbola tratra tany amin’ity farany ity ihany koa ny fitaovana maromaro izay nangalariny. Efa nomeny ny tovovavy iray sakaizany kosa ny firavaka volamena azony. Niara-nosamborina avokoa moa izy roa ireto. Isan’ny voasambotra ihany koa ny lehilahy sarim-bavy iray, izay mpiray teti-dratsy tamin’ireto olon-dratsy. Fantatra, fa mbola misy naman’ireto andian-jiolahy iray karohina fatratra amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana azo hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici