- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Fianakaviana norahonana hovonoina hitakiana 12 tapitrisa ariary

Andoharanofotsy : Fianakaviana norahonana hovonoina hitakiana 12 tapitrisa ariary

Lehilahy miisa telo no voasambotry ny zandary avy ao Andoharanofotsy ny sabotsy lasa teo noho ny resaka fampihorohoroana mpivarotra iray ao amin’ity kaominina ity. Ny 31 oktobra lasa teo no tonga nitaraina tao amin’ny zandary ity vehivavy mpivarotra ity. Nambarany tamin’izany fa misy olona nampitondra taratasy ho azy ny mpanampiny ka teny fampihorohoroana sy fitakiana vola 12 tapitrisa ariary no tao anatin’izany. Voalazan’ilay nanoratra fa nisy afera maloto niarahan’ity mpanoratra nataony tamin’ny vadin’ity ramatoa mpivarotra ity ka 12 tapitrisa no anjarany tamin’izany nefa mbola tsy voarainy ny volany. Efa maty tamin’ny volana oktobra 2021 anefa io rangahy vadiny io. Nambaran’ilay taratasy fa hovonoiny avokoa ny fianakavian’ity mpivarotra ity raha tsy manome io vola io. Nandray andraikitra avy hatrany ny zandary ka napetraka ny velam-pandrika hisamborana ilay mpanao ratsy. Nomena fotoana teny amin’ny By pass eo akaikin’ny kianjan’y Elgeco plus ilay mpitaky vola fa eny no hanomezana ilay vola. Tsy tanteraka anefa izany satria tsy nipoitra ity farany. Nambarany fa misy zandary manaraka hono ilay ramatoa.Mbola norahonany an-telefaonina indray ity farany fa halainy an-keriny ny zazanany vavy. Ny 5 novambra tamin’ny enina ora hariva dia nifanao fotoana teo amin’ny Jirama eo Ambany Atsimo, Tanjombato ny roa tonta. Teo ny nahatratrarana lehilahy iray izay fantatra fa olona tsy an’asa sy tsy manana toeram-ponenana mazava. Mbola tratra teny aminy ihany koa ny telefaonina izay nampiasainy. Ity farany no nanoro lehilahy roa hafa izay nambarany fa naniraka azy hanao izao asa ratsy izao. Avy any Ambatofahavalo ny iray ary Ankaraobato ny faharoa.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici