- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Jiolahy nitam-basy matin’ny vahoaka

Andoharanofotsy : Jiolahy nitam-basy matin’ny vahoaka

Tezitra ny olona ary tsy nanaiky raha tsy matin’izy ireo ilay jiolahy avy nanao fanafihana mitam-basy. Ny alarobia teo, nanodidina ny misasakalina, no tonga nanafika tao amin’ny tokantrano iray tao Ambohimanala ny dimy lahy mitam-basy. Basy vita gasy ilay fitaovam-piadiana, raha araka ny fanamarihana azo tamin’ny zandary. Io loharanom-baovao io ihany koa no nanamarika fa nanao saron-tava ireo olon-dratsy. Tao amin’ilay tokantrano voalohany dia somary avo ny tamboho ary nisy “alarme” ihany koa. Naneno avy hatrany io fanairana io nandritra ny fihanihan’ny jiolahy ny toerana. Taitra ny olona ary vetivety ihany koa dia nampandre ny zandary an-telefaonina ny tompon-trano. Raikitra ary ny fanarahan-dia izay niarahan’ireo mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka teo an-toerana. Tao anatin’izany no fantatra indray koa fa hay mbola nanafika tokantrano iray hafa ireo jiolahy tao anatin’ny fitsoahany. Tamin’ity indray mitoraka ity dia teo am-pihanihana tamboho mihitsy no nifanehatra tamin’ny mpanenjika azy ireo ny jiolahy mitam-basy. Nikoropaka ary nianjera ny telo tamin’izy ireo. Nandrasan’ny olona soa aman-tsara ny fidabohany tamin’ny tany ary raikitra avy hatrany ny fitsaram-bahoaka. Ny iray no maty tsy tsa-drano ary ny roa hafa kosa naratra mafy. Mba avotra ihany ny ain’ireo roa ireo rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza. Tezitra ny olona amin’ny asan-jiolahy. Indrindra koa, vao haingana no nisy ilay fianakaviana iray izay nopotehin’ireo tao anatin’ny minitra vitsy ny fiainany. Tsy taiza fa mbola teny amin’iny manodidina an’Andoharanofotsy iny ihany koa no nitrangan’izany. Nokapohina tamin’ny vodibasy ny lohan’ny raim-pianakaviana izay tsy nahatsiaro tena raha tsy herinandro aty aoriana, dia nanaovana filan-dratsy ny zanany vavikely. Tsy vitan’izany fa mbola nalaina ihany koa izay azo nobataina  tao amin’ilay tokantrano. Mbola nitambesatra tao anatin’ny lohan’ny olona izany heloka bevava izany ka nahatonga ny famonoana ho faty ny jiolahy izay tratrany.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici