Lehilahy iray no voasambotry ny pôlisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava sakelika fahefatra etsy Anosy omaly. Nisandoka ho pôlisy ingahirainy ary nilaza fa miasa ao amin’ity sampandraharahan’ny pôlisy nisambotra azy ity ihany. Tsy vitan’ny fisandohana andraikitra anefa no nataon-dranamana fa mbola nentiny nanaovan-dratsy ilay asa masina. Vola mitentina any amin’ny dimy hetsy ariary tany ho any mantsy no azo am-pitaka tamin’ny mpivady iray tetsy Andoharanofotsy. Mpivady iray, izay azo lazaina fa indroa nahita ny maizana, satria raha efa voasoloky tamin’ny resaka fandefasam-bola amin’ny finday izy ireo dia mbola nifanena tamin’ity mpisoloky nilaza fa pôlisy ity ihany. Toy ny fanaon’ireo mpisoloky dia hainy tsara mihitsy ny mandresy lahatra na amin’ny alalan’ny fihetsika na fiteny ka dia roboka tokoa ireo mpivady. Ity voalohany ihany koa tetsy andanin’izay dia nanome toky fa ho voasambotra tsy ho ela ilay olon-dratsy. Fa alohan’izay anefa aloha dia mandeha ny vola. 200000 ariary tamin’ny voalohany, 130000 ariary ny faharoa ary ny farany 100000 ariary. Nanomboka mahina ireto mpivady ary nanatona avy hatrany ny biraon’ny BC4. Vaky bantsilana teo fa mbola voasoloky fanindroany indray izy ireo. Natao ny fanadihadiana ka omaly ihany dia voasambotra tetsy Andoharanofotsy ihany ilay zalahy te ho pôlisy mafy ity. Tamin’ny famotorana rahateo dia niaiky tanteraka ny zava-dratsy vitany ingahirainy. Mbola mandeha moa, hoy ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy ny fanadihadiana.
m.L