- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 22, 2025
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Mpamaky fiangonana voasambotry ny mpiambina

Andoharanofotsy : Mpamaky fiangonana voasambotry ny mpiambina

Efa inefatra nisy namaky ity fiangonana ity tao anatin’ny dimy taona, hoy ny fampitam-baovaon’ny zandary. Izao vao tratra ny mpanao ratsy, teo am-pikasàna ny hanisy ny ratsy indray ny tranon’Andriamanitra. Ny marainan’ny talata teo no voalaza fa voasambotry ny mpiambina ny fiangonana iray tetsy Ambohimanala, ny lehilahy iray raha teo am-piomakomanana ny hamaky izany trano fivavahana izany. Tena tsy tahotra tsy henatra intsony ny an-dranamana teto, izay nihevitra fa azo « banahana » mora foana ilay trano fiangonana. Tany aminy rahateo efa nahitàna karazam-pitaovana maromaro ihany, fentina manapitsoka varavarana. Soa ihany, efa mailo ireo mpiambina. Araka ny voalaza tetsy ambony dia saika hiditra, fanindiminy tamin’ity lay fiangonana no vaky, raha tsy izao tratra izao ilay mpanao ratsy. Tamin’io fotoana io dia taitra avy hatrany izy ireo, raha vao nahare feo hafahafa, ka io tsy afa-niala io intsony ingahy mpamaky fiangonana. Nosamborina ary natolotra avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy moa ingahy taorian’izao fisamborana azy ireo, ho amin’ny tohin’ny famotorana. Nihevitra angamba ingahy fa hoe anaty ririnina isika izao, ka mbola handeha hanao hitsin-dalàna amin’ny fahazaran-dratsy ihany …

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici