- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Mpiadina bakalorea tratra nanao hosoka

Andoharanofotsy : Mpiadina bakalorea tratra nanao hosoka

Ny alarobia teo, nandritra ny fanadinana, taranja Fizika, tao amin’ny foibem-panadinana iray tetsy Andoharanofotsy, mpiadina iray indray no tra-tehaka nanao hosoka tamin’ity fanadinam-panjakana bakalorea ity, teny an-toerana. Raha ny fampitam-baovao azo dia tra-tehaka nampiasa finday nandritra ny fanadinana ity farany. Finday, izay raha ny voalaza dia nisy fifampiresahan’ity mpiadina ity, tamin’ny olona tany ivelany, tamin’ny alalan’ny « messenger »,  nanoro azy ireo valim-panontaniana rehetra mahakasika ny laza adina. Tsy io valin’ny taranja fizika io ihany anefa no hita tao anatin’ilay finday, rehefa natao ny fitsirihana sy ny fanagiazana izany fitaovana hita teny amin’ity mpiadina ity izany fa mbola nisy valin’ny laza adina matematika, natao ny talata, omalin’io. Ary tsy fantatra intsony izay ankoatra izay fa efa nisy ampahany voafafa ny sasantsany tamin’ireo hafatra, raha ny angom-baovao azo hatrany.

Noraisina avy hatrany moa ny fepetra mahakasika ity tovolahy mpiadina 22 taona ity, manoloana izao fanaovana hosoka amin’ny fanadinam-panjakana izao. Taorian’ny fidinanan’ireo tompon’andraikitra isan-tokony teny an-toerana, nijery ifotony ny zava-nisy dia nambara fa tsy afaka ny hanohy ny fanadinana intsony ity mpiadina ity. Nentina notanana natao andrimaso eny amin’ny tobim-paritry ny zandary tao Andoharanofotsy kosa ny tenany, ho amin’ny famotorana azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Heloka be vava ny fanimbana sy fanapotehina ny lanjana BAC .
    Ny saina tsy ampy na tsy misy dia lasa mivarilavo toy izany.
    Tsara raha ny rehetra voakasik’ izany hosoka izany no iaran’ ny lalàna sy sazy mavesatra satria viol koa no misy.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici