- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Nilalao fasana amin’ny andro antoandro

Andoharanofotsy : Nilalao fasana amin’ny andro antoandro

Nahita avokoa na ny mpianatra na ny olona izay sendra nandalo. Somary amoron-dàlana rahateo ilay fasana. Tamin’ny voalohany dia somary nampalahelo ny olona ilay ramatoa, noho ny ranomasony tsy an-kijanona. Nodakany amin’izay ny varavaram-pasana ary nataony izay fomba rehetra hidirana tao. Ny heriny mandaka sy ny fisintonany ilay varavaram-pasana, izay mazava loatra fa tsy voavahany, dia nanomboka nahatonga saina ny olona. Matanjaka loatra mantsy ravehivavy ary tsy vitan’izany fa efa nahazoazo taona ilay ramatoa. Nandeha amin’izay ny eritreritra teo ny amin’ny hoe mpamosavy na koa hoe misy devoly. Raha izany ve anefa dia amin’ny andro antoandro be nanahary no hitrangany ? Nihaliana ny olona ary nanakaiky ilay ramatoa. Rehefa tsikariny izany, dia rifatra nitsoaka izy. Teo indray no nandeha ny eritreritry ny maro, fa mety ho olona lasa adala izy. Ny alatsinainy teo no nitrangan’izany tetsy Andoharanofotsy ary dia nisy nahazo sary sy raki-tsary mihitsy ny zava-nitranga.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici