- Publicité SW45 -
dimanche, mai 12, 2024
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Porsche nahafaty olona nitsoaka

Andoharanofotsy : Porsche nahafaty olona nitsoaka

Nahafaty olona indray ny lozam-pifamoivoizana. Ary nitsoaka indray koa ny fiara rehefa nitranga ny loza. Mitady ho lasa fahazarana izany eto an-drenivohitra. Teny Andoharanofotsy no nandona mpitaingina kodiaran-droa ny fiara iray. Potipotika tsy nisy noraisina ilay scooter ary ny mpitaingina azy dia tsy tàna ny ainy na teo aza ny famonjena rehetra izay natao. Omaly dia nanambara ny fianakaviany fa namoy ny ainy ilay lehilahy. Etsy ankilan’izay, nisy marik’ilay fiara izay hita teo amin’ny toerana nisehoan’ny loza. Teo no namantarana fa fiara raitra, mitondra ny marika Porsche ny nandona. Tokony ho vetivety ny fikarohana izany raha matsilo ny mpanao fanadihadiana. Tsy dia betsaka mantsy ireny karazam-piara ireny eto amintsika ary ny fitsirihana izany eo anivon’ny sampana mpamoaka laharan’ny fiara dia mety ahitàna ny tompon’izy ireo tsirairay avy ary hahafahana mandroso amin’ny fanadihadiana. Arak’izay voalaza etsy ambony dia mitady ho lasa fahazarana ity fitsoahana ity rehefa misy lozam-pifamoivoizana, indrindra ao anatin’ny andro maizina, toa izay nitranga tetsy Andoharanofotsy. Ilaina tanteraka ny fanaraha-maso ny làlana eto amintsika avy amin’ny fampiasana teknolojia. Torak’izany koa ny fandrindràna ny fifamoivoizana satria lasa be loatra ny mpitandro ny filaminana ahetsika amin’izany kanefa tokony hisambotra jiolahy etsy sy eroa. Mba tokony hampidirina ao anatin’ny soso-kevitra amin’ireny atrikasa maro ireny ny famerenana ny jiro maroloko mandrindra ny fifamoivoizana ary koa ny camera de surveillance mba hanaraha-maso ny fivezivezen’ny fiara. Izany dia mba ho fiarovana ny ain’ny mpampiasa làlana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici