Efa tsy nisy intsony ny tapany ambany tamin’ilay zaza. Torak’izany koa, efa potika tanteraka ny vatan’ilay ramatoa izay hita faty niaraka taminy. Nivarahontsana ny mpandalo izay sendra nahita izany tetsy Ambohimanala-Andoharanofotsy, omaly maraina. Rehefa nandeha ny fanamarinana dia voamarina, fa mpianaka izy ireo ary efa nanomboka tsy hita nanomboka ny 15 jolay lasa teo. Ny fisian’ny filazana izay nandeha tamin’ny tambajotra sosialy mahakasika ny fahaverezan’ireo mpianaka ireo no nanamora ny famantarana. Ny ampitson’iny (omaly) dia hita izy mianaka, fa efa maty ary tsy vitan’izany fa efa potipotika ny razana. Raha araka ny fanampim-baovao, dia eo amin’ny manodidina an’ilay toerana izay nahitana azy mianaka ihany no toeram-ponenan’izy ireo. Ilay zaza dia mbola menavava ary vao teraka roa herinandro lasa izay. Ilay reniny kosa dia tombanana ho 35 taona eo ho eo. Ilay zazakely no hita voalohany ary natsingevan’ny rano tamin’ny tanimbary. Taorian’izay, dia mbola nitohy ny fisafoana teo amin’ny manodidina ary hita nandritr’izany koa ny reniny. Raha araka ilay filazana nataon’ny havan’ny maty dia teny Anosizato ilay renim-pianakaviana no nisy nahita farany. Manam-bady izy ary manan-janaka roa. Tonga teny an-toerana ny dokotera mpizaha razana, ary koa ny zandarimaria. Nijery ifotony teo ireo mba hahafahana manao ny tatitra. Amin’ny raharaha toy izao rahateo dia tsy maintsy misy ny fanadihadiana sokafana mba hamantarana izay tena antony nahafaty ireo olona.
D.R