Efa tena tsy misy tahotra intsony ireo mpanendaka eny amin’iny faritra Ampasika, Andohatampenaka, sy amin’iny lalana miditra mizotra mankany amin’ny vatobe iny. Amin’izao rahateo ihany koa, noho ny fisian’ny fanamboaran-dalana eo amin’ilay sampanana mivoaka mihazo ny lalam-baovao dia mitohana izay tsy izy ny fifamoivoizana, ka manararaotra aok’izany ry zalahy. Ireo olona mandeha fiara araka izany no tena lasibatra. Ny sasany dia sahy tanteraka miditra ao anaty fiara raha sendra tsy mihidy tsara ny varavarana, ary mivoaka toy ireny olona tsy nanao n’inona n’inona ireny, rehefa avy nahazo izay nilainy. Tsy sahy manohatra rahateo ny olona ao anaty fiara, satria dia mazàna ry zalahy ireny mitondra fitaovam-piadiana sy manao andiany marobe, mody mijorojoro manodidina eo. Iray ihany mantsy no tena manao “action”, ireo namany hafa kosa dia toa ireny mpiambina ireny, miaro ny aorian’ity farany. Efa indroa nitranga ihany koa izay tato anatin’ny andro vitsy ny fisian’ireo fiara misy vodiny fametrahan’entana, voaroban’ireo mpanendaka. Manararaotra ny fitohanana ry zalahy, ary tsy misalasala mihitsy mihanika sy miditra ao anatiny, maka izay zakany. Mazava ho azy fa tsy iray tsy roa izy ireo fa andiany maro mihitsy. Toy ny efa sakafo fihinan’ireo mponina isan’andro, eny amin’ireo toerana ireo ny fisehoan-javatra toa izany. Tsy misy taitra intsony ny mponina mahita, tsy sahy miditra an-tsehatra ihany koa. “Tsy misalasala mihitsy mantsy izy ireo manindrona antsy avy hatrany ho an’ireo izay mitabataba”, hoy ny tahotr’ireo mponina. Ny fiara aorian’ilay lasibatra ihany koa dia tsy sahy manao n’inona mampandre ilay voa, sao angaha hifotoeran’ireo olon-dratsy eo. Mila mailo tanteraka mihitsy araka izany ireo izay voatery sy tsy maintsy hindrana an’ireo lalana ireo, na antoandro io na alina, indrindra moa fa amin’izao manaiky fety izao.
m.L