- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndohatampenaka : Olona efatra tratra namoaka simenitra saika hanamboaran-dalana

Andohatampenaka : Olona efatra tratra namoaka simenitra saika hanamboaran-dalana

Lasakana simenitra halatra miisa 26  no tra-tehaky ny pôlisy avy etsy amin’ny boriborintany fahenina, ny sabotsy lasa teo, tetsy Andohatampenaka. Olona efatra no voarohirohy tamin’ity tranga ity ka voetery notazomina sy nanaovana fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny pôlisy. Araka ny fanazavàna azo dia antso avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafantaran’ireo mpitandro filaminana ny fisiana sarety feno lasakana simenitra teny an-toerana. Simenitra mampiahiahy ihany satria mitovy tsy misy valaka amin’ireo ampiasaina amin’ny fanamboaran-dalana, mampitohy an’Ankasina sy ny lalan’ny digue, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena. Rehefa nanontaniana an’ireo olona nanaraka an’ilay sarety ny fiavian’ireo simenitra dia tsy nety niteny izy ireo. Tsy nisy ihany koa ny taratasy nahafahan’izy ireo nilaza ny nividianany an’ireto simenitra iray taona mahery 300 kilao ireto. Notanana avy hatrany izy ireo natao fanadihadiana araka izany. “Niaiky tanteraka ireto olona ireto tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo fa simenitra navoakan’izy ireo an-tsokotsoko tao amin’ilay fanamboaran-dalana izy ireo”, hoy ny filazan’ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ity kaomisarian’ny boriborintany fahenina ity. Roa tamin’ireto olona voasambotra ireto no mpiasa ao amin’io “chantier” io, ny iray kosa saika hividy izany entana halatra izany, ary ny iray mpitarika ilay sarety, araka ny fanazavàna azo hatrany. Omaly ireto olona ireto no natolotra ny teo anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici