- Publicité SW45 -
jeudi, avril 18, 2024
AccueilFaits-DiversAndohatapenaka : Mpanendaka nanafika mpivarotra, maty voatifitry ny pôlisy

Andohatapenaka : Mpanendaka nanafika mpivarotra, maty voatifitry ny pôlisy

Ramatoa mpivarotra iray no lasibatry ny mpanendaka tetsy Andohatapenaka. Voambana sabatra ity farany ka tsy afa-nikofoka. Soa ihany fa tonga ny pôlisy nanavotra azy ary nitifitra ilay olon-dratsy.

Efa iaraha-mahalala tokoa ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana eny amin’iny faritra Andohatapenaka iny. Izay rahateo no antony anaovan’ireo mpitandro filaminana hetsika manokana amin’ny alalan’ny fisafoana tsy tapaka na andro na alina, ataon’ireo pôlisy tsy manao fanamiana. Tamin’izany fisafoana izany indrindra, ny sabotsy lasa teo, no nifanehatra taminy ny jiolahy iray teo am-panaovana ny asa ratsiny, teo amin’iny iray tamin’ireo elakelan-trano teny an-toerana. Araka ny fanazavana nentin’ny pôlisy dia teo am-panendahana ity renim-pianakaviana ity, ireto olon-dratsy ireto, niaraka tamin’ny antsy lava lela, no tsikaritr’ireto farany. « Tsy nampoizin’ireto jiolahy indray ny fisian’ny polisy manao fanamiana sivily teny an-toerana. Niditra an-tsehatra namonjy ny ain’ilay ramatoa ny polisy ka voatery nitifitra an’ilay jiolahy nitondra antsy lava izay saika hamono azy. Vokany, lavo teo no ho eo ilay olon-dratsy, ary nanao tari-dositra ilay namany iray »,  hoy ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisim-pirenena. Avotra soa aman-tsara kosa tetsy andanin’izay ilay ramatoa. Tsy nahavita izay nokasain’izy ireo natao moa ireto olon-dratsy tamin’io fotoana io, raha ny voalaza hatrany. Tsy lasan’ireto mpanendaka ireto ny pôketra nisy ny vola tany aminy, hoy hatrany ny filazana azo avy amin’ireto mpitandro filaminana. Mbola eo am-pikarohana ilay namany tafaporitsaka moa ireto farany. Ny vatana mangatsiakan’ity voalaza fa mpanendaka ity kosa efa notsirihan’ny tompon’andraikitra ary naterina eny amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly, miandry ireo havany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici