Taxi-moto no lasan’izy ireo. Saingy ny andron’ny halatra ihany dia voasambotra ireo ary tafaverina tamin’ny tompony ny kodiaran-droa. Izany dia noho ny fisian’ny GPS tamin’ilay fitaovam-pitaterana. Toy izao ny nataon’ireo olon-dratsy. Niady varotra tamin’ny taxi-moto iray teo Anosy ny iray tamin’izy ireo. Lavitra ny làlana satria any Talatavolonondry. Rehefa nifanaraka anefa ny roa tonta dia raikitra ihany. Fitaka be tanteraka ny tao ambadik’izany. Rehefa teny an-dàlana ka nifanandrify ny Radio Netherland dia nangataka ny nijanona kely ny mpandeha ary nilaza fa hiantso ny any an-trano mba hanomana ny vola saran’ny fitaterana. Tsy izay anefa ny tena tanjona fa kosa nampandre ny mpiray tsikombakomba taminy izy. Nandalo toerana iray faharoa indray dia mody niantso ary niala avy any ny lehilahy iray izay nidaroka avy hatrany sady nandraraka vovo-tsakay ilay mpamily taxi-moto. Voatery nanavotra ny ainy io farany ary ireo olon-dratsy kosa dia lasa niaraka tamin’ny moto. Nampandrenesina ny tena tompon’ny moto (mpampiasa ilay mpanamory taxi-moto) ary avy hatrany dia niantso ny zandary. Nampiasaina ny teknolojia satria nisy GPS io moto io. Niara-nikaon-doha teo ny roa tonta ary hita ny fivoaran’ny làlan’ireo olon-dratsy : Ambodifasina, Tsarasaotra, Ankorondrano, Ankazomanga, Ankasina ary Andohatapenaka. Nomanina ny toerana izay tsy maintsy holalovan’ireo ary dia tena nipoitra tokoa. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny zandarin’ny Bemasoandro-Itaosy izay nandray an-tànana ny raharaha. Mbola saika hanao bodongerina ihany ireo olon-dratsy kanefa voafehy haingana. Hitan’ny olona ny zava-nitranga ary saika lasa fitsaram-bahoaka indray no niseho. Haingana anefa dia lasan’ny zandary ireo olona ary nentina teny amin’ny birao. Ny andron’iny ihany dia nisokatra ny fanadihadiana ary ny kodiaran-droa dia naverina tamin’ny tompony. Tena ilaina ny GPS ary tena tsy nampoizin’ireo olon-dratsy koa ny fisian’izany tamin’ilay moto. Zatra lalan-dririnina loatra.
D.R





