Vao maraina, ny asabotsy teo, dia efa talanjona ny rehetra izay mpampiasa ny toerana fiantsonan’ny taxi-brousse etsy Andohatapenaka. Ny antony dia satria nisy nanidy ny vavahady lehibe ary dia tsy nisy afa-niditra na nivoaka tao izay tokony hampiasa ny toerana. Nanomboka niakatra ny feo satria tsy nisy na inona na inona azo natao ho an’ireo olona izay mivelona sy mampiasa ny « gare routière ». Ireo mpitatitra marobe no isan’ny nentin-katezerana voalohany, satria lasa nibahana teo ivelany fotsiny ny fiaran’izy ireo. Teo no tsy maintsy natao ny fampidirana ny mpandeha sy ny fampakarana ny entana. Tsy nilaozan’ny mpanararaotra izany, satria tao anaty korontana izay tsy neritreretina akory ny mety hisehoan’ilay tranga. Raha araka ny fantatra, dia mahakasika ady tany eny an-toerana no anton’ny fanakatonana ny vavahady. Teo no nahafantarana, fa misy ampahan-tany misy mikasa ny haka, kanefa izany dia tafiditra ao anatin’ny faritry ny fiantsonan’ny fiara. Mbola mandeha ny adin’io olona amin’ny minisitera ary tsy fantatra hoe didy avy taiza na baiko avy taiza no nanidiana tampoka ny vavahady ka tsy nahafahana nampiasa ny « gare routière » ? Nilaza ny mpitatitra ny mba tokony hijerena ny tombontsoan’ny tsirairay sy ny mpampiasa ny toerana, satria olona marobe no indray mizaka ny voka-dratsin’ny tsy fifanarahana eo amin’ny mety ho olom-bitsy. Rehefa niakatra ny feo ka nandeha ny adihevitra teny an-toerana, dia nanapa-kevitra ny kaoperativa maro fa hosokafana ny vavahady. Samy niditra avokoa ny fiara fitaterana nanomboka teo ary dia niverina tamin’ny laoniny ny fiainana andavan’andro tao amin’ny « gare routière ». Ny fanontaniana mipetraka amin’ny maro teny an-toerana dia ny hoe : natao bodongerona ve ny tany izay nasiana io toby fiantsonan’ny fiara io sa kosa izay milaza ho tompony no mitady hanararaotra? Korontana hatrany izany no iainan’ny olona raha vao mahakasika itony « gare routière » itony. Amin’ity raharaha ity dia nanome 48 ora ny fanjakana ny fikambanan’ny mpitatitra ny mba hamerenana amin’izy ireo tsy misy hatak’andro ny tany izay misy ny toby fiantsonan’ny fiara.
D.R