
Nitrangana hain-trano teny Andohatapenaka III, afak’omaly alina. Zazavavy kely roa taona no namoy ny ainy tao anatin’ny firehetana, araka ny vaovao voaray. Kila sy rava tanteraka ny trano, ary maro ihany koa ireo fananana simba vokatry ny afo. Tonga teny an-toerana ireo tompon’andraikitra ara-panjakana niaraka tamin’ny mpamonjy voina sy ny tompon’andraikitry ny fokontany. Noraisin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) an-tanana ny fikarakarana ireo traboina sy ny razana. Nosokafana ny fanadihadiana mba hamantarana izay mety ho antony nahatonga ny firehetana.
D.R



