- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversAndohoranofotsy : Ankizy niampita arabe nianjera, maty voahosian’ny fiara ny iray

Andohoranofotsy : Ankizy niampita arabe nianjera, maty voahosian’ny fiara ny iray

Ny talata lasa teo, nisehona lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona teny amin’ny faritra Andohoranofotsy. Ankizy roa zokiny sy zandriny nifampitrotro no niampita ny arabe. Nianjera anefa ilay kely ary tamin’izay fotoana izay nisy fiara be nandalo. Afaka niala ilay lehibe fa tavela kosa ny zandriny. Voahosin’ilay kamiao ity ankizy ity ary nitarika ny fahafatesany izany. Tsy nisy azo natao intsony. Raha nahita izany ny zokiny, nikiakiaka sy nitomany teo amin’ny sisin-dàlana. Nitangorona ny olona nijery ny zava nisy. Tonga ny mpitandro filaminana ary efa natao ny fanadihadiana ilay mpamily.

Tao anatin’ny volana vitsy, nitombo isa ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana ain’olona maro tamin’ny lalana eto amintsika. Manginy fotsiny ny fahapotehan’ny fiara izay mampitolagaga ny mpijery. Vao tamin’ny fiandohan’ny herinandro no nisy loza nahafantesan’olona tamin’ny lalam-pirenena faha-7. Ireo nahita ny sarin’ilay fiara potika samy tsiravina avokoa.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici