- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversAndohotapenaka : Efatra mianaka sempotry ny afon-tsaribao, maty ny iray

Andohotapenaka : Efatra mianaka sempotry ny afon-tsaribao, maty ny iray

Ny alin’ny alakamisy hifoha zoma, olona efatra mianaka, lehilahy avokoa, no fantatra fa sempotry ny afon-tsaribao teny Andohotapenaka. Rehefa nojerena, maty ny iray tamin’izy ireo, tovolahy vao 18 taona. Tonga taty an-drenivohitra ireto olona ireo hanatrika didim-poitra. Ny voavao no nahafantarana, fa nahandro sakafo hoentina amin’io lanonana io izy ireo. Tsy fantatra marina anefa izay niseho fa dia izao ry zareo sempotra izao. Ny maraina, tonga ny olona nizaha ny zava-nisy ka olona efa tsy nahatsiaro tena intsony no novantanina. Natao haingana ny famonjena. Efa tsy avotra intsony anefa ny iray. Ireo telo kosa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici