- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversAndohotapenaka: Fatin-dehilahy niboridana hitan’ny olona

Andohotapenaka: Fatin-dehilahy niboridana hitan’ny olona

Fatin-dehilahy iray efa tsy niankanjo intsony no hitan’ny olona teny Andohotapenaka, omaly, teny ampitan’ny Kianjan’ny Makis. Voalazan’ny vaovao fa nitorovaka nipetra ilay razana. Araka ny loharanom-bovao, tsy dia tsy salama saina loatra ity olona ity. Nihosom-potaka ilay izy ary tsy fantatra intsony na maty tany anaty rano no namono tena izy io. Raha vao niely ny vaovao, tonga teny an-toerana ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny nizaha ny zava nisy ka anisan’izany ny ao amin’ny polisy misahana ny Ady heloka bevava avy ao Anosy. Lehilahy tokony ho eo amin’ny 30 taona eo ity hita faty ity. Tsy nisy nahafantatra azy ny olona teny an-toerana. Tany aminy koa rehefa nosaviana ny razana dia tsy nisy taratasy mety nahafantarana azy. Efa naterin’ny avy ao amin’ny BMH eny amin’ny tranom-paty Ampefiloha ny razana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici