- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversAndohotapenaka : Vehivavy tratra nivarotra taoakagasy

Andohotapenaka : Vehivavy tratra nivarotra taoakagasy

Toaka gasy hatrany amin’ny 73 litatra no tratran’ny polisy miady amin’ny fidorohana zava mahadomelina tao an-tranony teny Andohotapenaka ny talata lasa teo tokony ho tany amin’ny 1 ora sy sasany. Rehefa nohadiahadiana ity olona ity dia nilaza fa 2 800 ariary no hividianany ny iray litatra ary amidiny 3 400 izany ho an’ny mpanjifany. Fantatra hatrany fa telo litatra isan’andro no lafony ary isaky ny herinandro izy no manafatra ny entana. Tsy voalaza kosa hoe avy aiza no anafarany ireo toaka voarara ireo. Ho an’ny mpanara-baovao izay mahalala tsara ny resaka fivarotana toaka gasy, tsy eny amin’iny toerana iny ihany no misy izany fa saika manerana ny elakelantrano marobe eto an-drenivohitra. Mora ary takatry ny volan’ireo mpisotra ity toaka « toto tanana »  ity araka ny filazan’ireo mpankafia azy. Vao tamin’ny alarobia no nahatratrarana toaka 1 200 litatra nampiakarina aty an-drenivohitra. Kely ihany izany raha ampitahiana amin’ireo tratra tany aloha izay efa nodorana teny amin’ny lakandrano Andriantany, volana maro lasa izay. Na dia manao ny ho afany aza ny mpitandro filaminana manao hazalambo ny famongorana izany, toa tsy voafehy mihitsy ny fitobahany eran’ny tsena.

r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici