- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversAndolofotsy Miarinarivo : Dahalo rain-dahiny tratra niaraka tamin’ny basy vita gasy

Andolofotsy Miarinarivo : Dahalo rain-dahiny tratra niaraka tamin’ny basy vita gasy

Telolahy nikoizana tanteraka tamina resaka asan-dahalo tany amin’iny distrika Miarinarivo iny no tra-tehaky ny zandary avy ao Andolofotsy ny herinandro lasa teo. Tratra niaraka tamin’izy ireo ny basy vita gasy iray fentin’izy ireo manafika.

Isan’iray tsy mahafangona tanteraka ny asan-jiolahy na ny asan-dahalo amin’ny faritra iray ny fanafenan’ireo mponina ireo olon-dratsy ao aminy. Na io noho ny tahotra ny mety ho valifaty ataon’ ireto olon-dratsy na ny hoe fahalainana fotsiny handeha hiaka-midina eny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana handeha hitory ireo olona izay hiarahan’ny rehetra mahalala ao amin’ilay toerana fa jiolahy rain-dahiny na dahalo. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia resy lahatra tanteraka amin’ny fandriampahalemana manakaiky ny vahoaka izy ireo ka nanome vaovao ho an’ireo zandary any an-toerana ny fisian’ireto dahalo ireto mihaodihaody an-tananan’izy ireo. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo zandary ka izao nahasamborana azy ireo izao. Fantatra fa efa ela notadiavina hatry ny ela izy ireo tamin’ny asa ratsy fanaony. Nentina natao fanadihadiana avy hatrany moa izy ireo ary natolotra ny Fampanoavana nony avy eo. Fantatra moa fa nampidirina am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Miarinarivo izy ireo mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici