- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAndraharo : Fiara « Hyundai » nifatratra tamina kamiao, lehilahy iray maty...

Andraharo : Fiara « Hyundai » nifatratra tamina kamiao, lehilahy iray maty tsy tra-drano

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray tetsy Andraharo, omaly naraina, tokony ho tamin’ny dimy ora, ka fiara kely iray « Hyundai i30 » no nanitsy ka nifatratra avy tao aoriana « camion semi-remorque » efa nijanona teo an-tsisin’ arabe. Lehilahy mpandeha iray nipetraka teo anoloana an-kavanan’ny mpamily no maty tsy tra-drano nosokirina tao anaty fiara, raha naratra mafy mbola manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly kosa ny saoferan’ity fiara kely tra-doza nitrongy kamiao mpitondra kontenera mpitatitra entana. Raha ny fanazavana azo tamin’ireo nanatri-maso ny loza, dia vokatry ny fandehanana mafy no niteraka ny loza.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici