- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndraikiba Antsirabe : Zaza 6 taona naolana zazalahy 16 taona

Andraikiba Antsirabe : Zaza 6 taona naolana zazalahy 16 taona

Nitrangana fanolanan-jaza tany Talata, fokontany Andraikiba, kaominina ambonivohitra Antsirabe, distrika Antsirabe, ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro. Zazavavy kely 6 taona  no niharan’ny filan-dratsin’ny zazalahy 16 taona Ilay zazavavy kely efa nitomany no sady misy rà ny silipony no nahataitra ny manodidina ilay trano vao amboarina, izay toerana nitrangan’ny fanolanana. Ireto farany no nampandre ny Ray aman-drenin’ ilay zaza ka nitondra azy avy hatrany tao amin’ ny hôpitaly Sainte Claire D’Assise Andraikiba. Tsy vita tao anefa ny fitsaboana fa nanapa-kevitra ny mpitsabo tao fa tsy maintsy hoentina miakatra any amin’ny hôpitaly lehibe any Antsirabe ilay zaza. Mbola karohina kosa anefa hatreto ilay zazalahy nahavanon-doza. Notanana ao amin’ny zana-tobim-paritra Antanamanjaka ny renin’ ilay zazalahy mba hanokafana fanadihadiana momba ny fitsoahan’ny zanany ary mba hisorohana ny ainy amin’ny fitsaram-bahoaka. Efa nahazo fitsaboana tao amin’ny Maternité Antsirabe ilay zaza amin’ izao fotoana izao izay tena simba tanteraka. Misokatra ny famotorana, ny PA Antanamanjaka no misahana ny raharaha.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici