- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAndraisoro : Jiolahy tafaporitsaka teny am-pelatanan’ny Polisy

Andraisoro : Jiolahy tafaporitsaka teny am-pelatanan’ny Polisy

Nirefodrefotra ny basy teny amin’iny faritra Andraisoro iny ny alin’ny alakamisy 25 febroary teo. Nitranga izany araka ny fanazavana avy eo anivon’ny Polisim-pirenena noho ny fifanejehana tamin’ny jiolahy iray izay tafatsoaka rehefa voasambotra tamin’io alina io. Araka ny loharanom-baovao dia mitohy hatrany ny hetsika « Opération harcèlement » ataon’ny polisy. Teo am-panatanterahana izany indrindra no nahatsikaritra lehilahy roa hafahafa fihetsika ireo polisy avy ao amin’ny boriborintany faharoa etsy Antaninandro raha nanao fisaofana teny Antsahameva-Andraisoro iny io alakamisy io tokony ho tamin’ny 8 ora alina.  Nosamborina avy hatrrany ireto olona ireto. Rehefa nosavaina teny amin’izy ireo dia nahatratrarana antsy iray. Teo am-pitondrana azy ireo teny amin’ny biraon’ny Polisy no tafaporitsaka tampoka ny iray. Raikitra ny fifanenjehana ka tsy maintsy nanao tifi-danitra indroa ny polisy mba hanakanana azy. Tafatsoaka ihany anefa ity farany na teo aza izany. Antenaina anefa fa tsy maintsy ho tratra ihany io jiolahy io ao aorian’ny fandihadiana atao amin’ity namany ity. Andrasana ary arak’izany ny tohin’ity raharaha ity.

T.M.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici