- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversAndramasina : Fiangonana iray kilan’ny afo, 5 tapitria Ar ny fahasimbana

Andramasina : Fiangonana iray kilan’ny afo, 5 tapitria Ar ny fahasimbana

Ny faha-8 septambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 3 ora hariva, nirehitra ny fiangonana  FJKM Ziona ao Ambohitsila Ambatobehasina Fitsinjovana Bakaro, any amin’ny faritra Andramasina. Rehefa nojerena ny fahavoazana dia tafakatra hatrany amin’ny 5 tapitrisa ariary ny fahasimbana. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa mitokamonina tanteraka ity trano fivavahana ity ary katekista no mitondra ny fiangonana. Tsy teo an-toerana anefa izy io tamin’ny fotoana nahamay ny trano, hoy hatrany ny vaovao. Raha vao nahare ny zava-nisy ny zandary avy ao amin’ny PA Fitsinjovana Bakaro dia nandeha teny an-toerana. Nanokatra fanadihadiana izy ireo mba hahalalana ny tena marina mikasika ity fahamaizana ity.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici