Taorian’ny fakana am-bavany nataon’ny Zandary ireo olona mianaka miampy ny miaramila iray mpampandry tany, avy ao amin’ny « ZRPS » Betsiboka, mikasika ny raharaha famonoana olona iray antsoina hoe Solofo no nitazonana azy ireo teny amin’ny brigadin’ny Zandary eto Maevatanàna. Vita ny famotorana nataon’ny » Juge d’Instruction » ka ny fanapahan-kevitra taorian’izany dia ny fampidirana am-ponja vonjimaika eny Ambodimadiro ny miaramila sy ny sakaizany ary ny rafozany, miandry ny fotoam-pitsarana. Araka ny fantatra, dia fitifirana tsy an-kitsitsy niseho tany amin’ny kaominina Beanana, izay nahafaty an’ilay lehilahy tompom-bady no nanenjehana ireto ity miaramila mitondra grady kilasy faharoa ity no nisamborana azy, sy ireo olona mpianaka ireo. Na dia eo aza ny fitazonana sy fitoriana nataon’ireo olona manana ny maty, dia ny lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny firenena ihany koa no mitazona azy ireo amin’izao raharaha izao. Raha hiverenena ny tantara, dia io miramila io no nangalatra ny vadin’i Solofo tany amin’ny tobim-bolamena, ka izy tratra ambodiomby indray no nanao ny tsy fanao fa mieritreritra fa azy ny fahefana sy ny làlana, ary izy mianaka kosa no nanampy tamin’ny fampirisihana tamin’ity fitifirana an-dRatompokolahy, ka izay no antony nampidirana am-ponja azy ireo androany. Andrasana eto ny ho tohin’ny fitsarana.
Ratantely