- Publicité -
vendredi, novembre 13, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndranobevava : Moto roa nifandona, nifatratra tany amin’ny fiara, olona roa voa...

Andranobevava : Moto roa nifandona, nifatratra tany amin’ny fiara, olona roa voa mafy

Nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tetsy amin’ny Marais Masay, alohan’ny hiditra ny rond point Andranobevava iny, omaly hariva, tokony ho tamin’ny efatra ora tany ho any. Moto anankiroa no nifandona tao, avy nifatratra teny amin’ny fiara iray miray dia amin’izy ireo. Araka ny filazan’ireo nahita dia nandeha mafy ireto kodiaran-droa ireto, saingy tsy nahatsikritra fa nisy fitohanana kely teo amin’io lalana hiditra an’Andranobevava io. Tafajanona teo aorianan’ny fiara Sprinter iray ilay moto scooter G5 teo aloha, saingy tamy avy any ilay moto iray cross iray, mbola nandeha mafy sy tsy tafajanona ka nandona azy taoriana. Mafy dia mafy ny fifandonana. Nidofotra mafy tao aorian’ilay fiara sprinter teo alohany ilay G5, nanapitika ireo olona teo ambony. Vokatry ny dona mafy ihany dia nipitika lavitra mihitsy ilay mpitondra an’ilay moto cross. Olona roa no nitsirara, samy tsy nahatsiaro tena tao anaty rà mandriaka vokatr’izay : ilay olona faharoa nentin’ilay scooter sy ilay mpitondra an’ilay cross. Voalaza fa tsy dia naninona kosa ilay nitondra an’ilay sccoter ary tsy nisy naninona vokatr’izay ihany koa ireo mpandeha tao anatin’ilay sprinter. Efa teny an-toerana moa ny mpitandro filaminana niezaka nandamina ny fifamoivoizana. Ireo naratra kosa efa nentin’ny novonjena avy hatrany nihazo toeram-pitsaboana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici