- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndranofasika RN4 : Fiara « fourgon » nitsoraka tany ambany tetezana

Andranofasika RN4 : Fiara « fourgon » nitsoraka tany ambany tetezana

Io indray ! Nisehoan’ny lozam-pifamoivoizana teo amin’ny tetezan’Andranofasika, amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, ny alahady maraina. Fiara « sprinter fourgon » no latsaka tany anaty rano. Tokony ho tamin’ny telo ora maraina tany ho any no nitranga ity loza ity, araka ny fanazavana azo avy amin’ny zandary misahana iny faritra iny. Avy any an-drenivohitr’i Boina izany fiara mpitatitra entana izany ary handeha hihazo ny renivohitra izao tra-doza izao. « Mampidi-doza mihitsy io toerana io, satria misy fiolanana be, alohan’ny hiditra an’ilay tetezana. Ity farany anefa lalan-tokana sady tsy mbola misy arofanina. Tamin’io fotoana io dia mety tsy nahafehy ilay fiolanana ny mpamily ka izao niafara tany ambany tetezana izao », hoy ny fanazavana avy amin’ny lehiben’ny zana-tobim-paritra ao Andranofasika. Marihina fa tsy nisy naninona ireo roa lahy, na ilay mpamily na ilay mpanampy azy, tao anatin’ity fiara niharan-doza ity. Ny vatan’ity farany no nahitana fahasimbana niaraka tamin’ireo entana tao anatiny.

Tsy vao izao tokoa no nisy loza nahatsiravina nitranga teo amin’io tetezana io, raha ny fanazavana azo. Saika isan-taona, hoy ny fanazavana azo. Vao volana maromaro lasa tokoa izay no nisy ilay fiara niharan-doza teo amin’io tetezana io ary namoizana ain’olona efatra. « Efa nisy ihany ny fepetra noraisin’ireo tompon’andraikitra, na izahay teo anivon’ny zandarimaria izany, na ny ben’ny tanàna ao an-toerana, entina misoroka ny loza, tamin’ny alalan’ny fanaovana fisafoana sy ny fametrahana « marquage au sol ». Efa nandefa taratasy any amin’ny Fitaleavam-paritry ny asa vaventy any Mahajanga ihany koa ny ben’ny tanàna, ny amin’ny tokony hanamboarana ilay tetezana na farafaharatsiny fametrahana « casseur de vitesse » aloha sy aorian’io tetezana io, saingy mbola tsy nivaly moa izany hatreto », araka ny fanazavana azo hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici