- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversAndranofasika RN4 : Jiolahy roa avy nanafika mpivarotra, maty voatifitry ny zandary

Andranofasika RN4 : Jiolahy roa avy nanafika mpivarotra, maty voatifitry ny zandary

Mpivarotra iray, teo Andranofasika tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny no lasibatry ny andian-jiolahy, ny alin’ny alahady lasa teo. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola an-tapitrisany, niaraka tamin’ny entana sy firavaka sarobidy sasantsany.

Tsy niandry ela anefa, nandray an-tanana ary namonjy azy ireo avy hatrany ny zandary. Nisy ny fifanenjehana, ary tsy lasa lavitra fa dia lasa voasambotra ny roa tamin’ireo olon-dratsy. Nanapa-kevitra ny hitsoaka anefa ireo farany, nanararaotra ny hamaizin’ny alina. Voatery nitifitra ny zandary ary voan’ny bala ireto farany. Maty tsy tra-drano.

Ny zava-nisy

Poa-basy maromaro no nandrovitry ny fahanginan’ny alina tao amin’ny tananan’Andranofasika, distrikan’Ambatoboeny, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany tany ho any mantsy, mpivarotra iray, fantatry ny maro teo amin’ny sampanan-dRazaka no nataon’ny andian-jiolahy nitondra faisana. Niisa teo amin’ny dimy teo ireo jiolahy, izay nirongo basy sy fitaovam-piadiana isan-karazany hoy ny vaovao. Rehefa nahavita ny asa ratsiny ireto farany dia nitsoaka ary nanapoaka basy, nentina nampitahorana ireo fokonolona izay mikasa ny hanaradia azy ireo.

Vao nahare ny poa-basy sy ny antso vonjeon’ny fokonolona ireo zandary, nanao fisafoana iny lalam-pirenena dia nidina avy hatrany teo an-toerana. Nampandrenesina avy hatrany ireo zandary manodidina, hanao ny fanakanana ireo kizo rehetra. Raikitra ny fanarahan-dia, nampian’ireo fokonolona teo an-toerana. Raha ny fanazavana azo dia nisy roa tamin’ireo dimy nanafika no voasambotra tao Tsimaimbo, fokontany Tsilankanina, kaominina Anjiajia, niaraka tamin’ireo entana  halatra. Saika handeha hihazo an’i Manaingazipo izy ireo tamin’izany. Tao anatin’ny fisakorohana isan-karazany, nandritry ny fisamborana azy ireo anefa dia nanararaotra ny fahafahantarany ny toerana sy ny alina efa nirotsaka tanteraka izy ireo. Niezaka nitsoaka sy niala teo am-pelatanan’ireo mpisambotra azy. Voatery nanapoaka basy ireo zandary, nentina nampitandremana azy ireo saingy tsy norarahiany izany. Hany ka tsy maintsy natao izay nampijanonana ireo olon-dratsy. Voan’ny bala ireto jiolahy anankiroa. Noho ny ratra nahazo azy ireo anefa dia tsy tana ny ainy. Mbola nitohy tamin’iny alina iny moa ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireo naman’ireto voatifitra ireto tafatsoaka. Iretsy lavo kosa, taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo dia efa natolotra ny fokonolona ho amin’ny fandevenana.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici