- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndranomadio – Toamasina : Mpamaky trano nenjehin’ny alika, niafina tao anaty «...

Andranomadio – Toamasina : Mpamaky trano nenjehin’ny alika, niafina tao anaty « w.c »

Tranga hafa kely ity niseho tao amin’ny fokontanin’Andranomadio, ny alin’ny alatsinainy nifoha ny talata ity, satria teo am-piketrehana hamaky varavaran’ity trano efa nidirany niakatra fefy ilay jiolahy, no hitan’ity alika mpiambina niompian’ny tompon-trano ka avy hatrany dia nenjehiny izy.

Tsy afaka nitsoaka nivoaka ny fefy intsony ilay jiolahy  noho ny fahatongavan’ilay alika tampoka nanenjika azy,  hany heriny dia nitsoaka sy nihidy tao anaty WC-n’ ny tompon-trano eo ivelan’ny tranony. Noho ny firodorodony niafina tao anaty WC io sy ny fandrahonany ilay alika tsy hanenjika azy, dia taitra ny tao an-trano ary nandrehitra ny jiro rehetra teo ivelan’ny trano. Nivoaka nijery ny zava-nisy avy eo ny tompon-trano, ilay alika ihany koa amin’io tsy mety miala sy mivovo mafy eo akaikin’ilay trano fivoahana ; hany ka noraisim-potsiny tao anatin’ilay WC ity jiolahy sy ny fitaovana nentiny hamakiana trano.

Taoriana izay, dia niantso mpitandro ny filaminana naka ity jiolahy matahotra alika ity ny tompon-trano, ka efa eo am-pelan-tanan’ny polisy izy omaly miatrika ny fakana am-bavany azy.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici