- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAndranomadio Toamasina : Zaza mirahavavy nisy nangalatra

Andranomadio Toamasina : Zaza mirahavavy nisy nangalatra

Fisavoritahana no nitranga tao Andranomadio ny alahady 13 septambra teo, noho ny tsy fahitan’ny ray aman-dreniny ireto zaza mirahavavy tampoka teo. Raikitra ny fikarohana sy fanarahan-dia natao, araka ny vaovao voarain’ireto fianakaviana very zaza ireto. 10 taona i Alida ary vao 3 taona kosa ny faharoa antsoina hoe Irina, izay nilalao tao anaty fefin’ny tranon’izy ireo ihany nandritra ny fanjavonany tampoka. Araka ny fanazavan’ny fianakaviany dia vehivavy iray no naka an-keriny azy roa vavy ireto, izay tazan’ny olona nihazo an’Ambalamanasy misy ny seranam-piaramanidina, koa raikitra ny fifanenjehana teo amin’ireo fokonolona sy ity ramatoa mpangala-jaza ity, saingy tsy tratra izy ary navelany ireto zaza mirahavavy nangalariny. Nandritra izay dia efa tsy teny amin’ireto zaza intsony ny firavaka teny aminy, ilay ramatoa kosa, izay fantatra ny endriny, dia karohina mafy ankehitriny.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici