- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversAndranomafana Antsirabe : Misy olona manary tay amin’ny barika ny sisin-dalana

Andranomafana Antsirabe : Misy olona manary tay amin’ny barika ny sisin-dalana

Ilay lalana lasa maloto.

Maimbo, masiso ! Izay no tsikaritra rehefa mandalo amin’ny lalana Andranomafana alohan’ny hiakarana ho any amin’ny Hotel des Thermes raha hiantsinana. Lasa zary toerana fanaovan’ny olona maloto, fipipizana sy fangerana mihitsy ny sisin-dalana somary misy ala sy lobolobo. Manamorona ny dobon-dRa-Coco no misy ity toerana ity. Ankaotra izay dia misy manary tay ao anatin’io lobolobo io, fantatra fa tovolahy kely telo lahy mpikarama mpandroaka maloto no manary tay eo amin’ity toerana ity.Tao anatin’ny iray volana izao dia tsy latsaky ny inefatra no nisy nanary tay teo amin’io toerana io, hoy ny olona teny an-toerana. Voalaza fa amin’ny 1 maraina eo ho eo no ora fanarian’ireo olona maloto amin’io toerana io. Sarety kely no itondrany ny maloto anaty barika na anaty bidon, ka aparitany eo amin’ny sisin-dalana. Nisy fotoana efa tratran’ny tompon’andraikitra iray ambodiomby ry zalaha ireo nanary tay teo, ary tamin’izay no nisiana fiara mpitandro filaminana maitso kely sendra nandalo nanao fisafoana, saingy nambaran’ireto farany fa ny BMH no tompon’andraikitra amin’izany ka dia navotsotra izy ireo, hoy ilay tompon’andrikitra nitantara, ny andro rahateo alim-be. Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra noho izany ny ireo monina eny amin’ny manodidina hijery akaiky ity tranga ity satria ankoatra ny fahaloton’ny rivotra dia mety hiteraka aretina ihany koa ity loto ity. Marihina fa tsy vao sambany akory no nahitana tranga toy izao teto Antsirabe fa efa nisy ny tranga hafa, saingy tany amin’ny fanariam-pako indray no nanao izany.

Andry N.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici