Loza tsy nampoizina no nitranga tetsy Andranomahery, Ankorondrano, omaly tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro tany ho any. Ankizilahy kely iray no namoy ny ainy tao anaty rano, raha nivadika ny lakana nandehanan’izy ireo. Efa tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina nikaroka ity zaza ity.
Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso ny zava-nisy teny an-toerana dia niara-niampita lakana tamin’ny namany ity tovolahy kely ity. Enin-dahy izy ireo no niaraka, raha ny fitantaran’ny ankizy naman’izy ireo, ary ilay zazalahy namoy ny ainy no namoy ity lakana ity. Nony tonga teny am-povoan-drano anefa dia tsy fantatra izay nahazo azy io fa somary nihilana avy eo nivadika tanteraka tao anaty rano. Nambaran’ireto nanatri-maso ireto moa fa ireo namany dimy lahy dia saika mahay rano avokoa ka raha vao nivadika ny lakana dia nilomano namonjy sisin-drano avy hatrany izy ireo. Izy irery kosa, izay voalaza fa tsy mahay milomano akory no tavela tao anaty rano. Niezaka sy nikoropaka saingy natelin’ny rano nony avy eo. Nahita izany iretsy niara-nilalao taminy vao nikoropoka namonjy saingy tsy hita intsony ity ankizy ity. Tonga teny an-toerana avy hatrany, rehefa nampandrenesina ireo mpamonjy voina niezaka nikaroka ity ankizy latsaka an-drano ity. Fotoana vitsy ihany no nilentehan’iretsy farany nitady azy dia tafiakatra an-tanety ilay ankizilahy saingy indrisy fa efa tsy nisy aina intsony. Tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany tany ho any no hita ny razana ary nentina nomena ny fianakaviany tetsy Ankorondrano Atsinanana.
m.L