Fahafaham-baraka. Izay no nitranga teny Andranomahery , omaly maraina tokony ho tamin’ny 9 ora teo . Mpivady no nifampitolona teny imasom-bahoaka . Araka ny loharanom-baovao voaray dia nangalatra vola tao an-trano ity ramatoa ity izay tsy mba nividianany sakafo akory fa dia nisotroany toaka. Teo no nahatonga ny ady teo amin’ny roa tonta. Tezitra mafy noho izany ity rangahy ity ka nikaroka hatraiza ity vadiny mba hanaparany ny fony. Vantany vao hitany ity ramatoa izay efa mamo , dia novonoiny no sady naboridany tanteraka . Vokany, naratra mafy izy ary tsy nahitana akanjo intsony teny an-kodiny . Nanasaraka ihany ny olona izay nahita saingy samy tsy nisy tana ny roa tonta fa dia nifamely teo. Fantatra fa ny olona nalahelo ity ramatoa ity, no hany mba nanome akanjo ho tafiany. Rovitra tanteraka mantsy ny teny an-kodiny rehetra ka tsy nisy norakofana intsony izy. Mbola tsy nody an-trano kosa ramatoa taorian’ny ny ady fa nilaza ny mbola hamaly faty izy.
FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)