Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigady Andranomadio ny dimy mianadahy voalaza fa mpivarotra rongony amin’ny jiolahy, any Antsirabe any, ny alatsinainy teo. Ireo mpamatsy rongony eo amin’ny tanàna antsoina hoe Andranomaimbo Antsirabe ireto sarona ireto. Voalazan’ny zandary fa ny fifohana rongony no tena isan’ny mampirongatra ny asan-jiolahy ary nametrahana paik’ady manokana iny faritra iny nentina nisamborana ireo olona ireo. Fantatra fa olona roa no mpivarotra sy mpamongady rongony any an-toerana ka nokarohina avy hatrany ireo rehefa nahazo alalana tamin’ny fitsarana. Notampohina nosavaina ny tranony ka sarona tao izy dimy mianadahy ireo izay eo am-pamonosana rongony.
Fonosana miisa 413 sy kitapo feno rongony tokony ho 52 kilao no sarona tao an-tranon’izy ireo.
Ny iray tamin’izy dimy ireto dia efa mpamerin-keloka satria efa notanana am-ponja noho izy mpamongady rongony. Hatao fanadihadiana ary atolotra ny fitsarana izy ireo mba hosaziana amin’ny heloka vitany. « Entanina hatrany ny olona hanome vaovao ny zandarimaria mba hamongorana ny asa ratsy toy itony », hoy ny fanamafisana avy amin’ireo nanao ny fikarohana sy ny fisamborana.
Yv Sam