- Publicité SW45 -
jeudi, avril 18, 2024
AccueilFaits-DiversAndranomanalina : Raikitra ny fifampitifirana, iray maty, iray hafa naratra

Andranomanalina : Raikitra ny fifampitifirana, iray maty, iray hafa naratra

Nitatata ny basy tamin’iny faritra Andranomalina iny omaly alina. Fifampitifirana nisy teo amin’ny jiolahy rain-dahiny iray sy ny namany ary ny teo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava. Vokatr’izay, maty tsy tra-drano io olon-dratsy io, raha tafaporitsaka kosa ilay namany iray, izay marihina fa efa naratra. Maro tamin’ireo mponina teny amin’iny faritra Andranomalina, hidin-dalam-by ary Isotry iny no raiki-tahotra raha nandre ny feom-basy maromaro nipoaka sy tsy nopizin-tory intsony taorian’izay, ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. « Nisy hetsika fanenjehana jiolahy teny amin’iny faritra iny, izay nataon’ny teo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava » raha ny fanazavana teo anivon’ny sampana misahana ny serasera teo anivon’ny polisim-pirenena. Tamin’io alina tokoa, tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany tany ho any dia nifanenjana tamin’izany toerana izany ireo mpitandro filaminana sy andian-jiolahy. Raha ny marina, hoy hatrany ny fanazavana, dia jiolahy rain-dahiny iray, efa voasambotra talohan’io, teny amin’iny faritra Isotry iny. Olon-dratsy izay efa tompo-marika tamin’ireo fanafihana sy vono isan-karazany niseho lany tato ho ato teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Efa nokarohin’ny polisy fatratra io ranamana io ary tratra. Tamin’ny famotorana azy no nahafantarana fa izy sy ny namany no tao ambadiky ny vono iray nitranga teny Tanjombato, fanindromana antsy teny Isotry, fanafihana « cash point » teny Antanimena ary fanafihana mitam-piadiana maro isan-karazany. Tamin’izay fakàna am-bavany natao azy hatrany dia nilaza fa hanoro ireo namany mpiara-manao asa ratsy ny lehilahy saingy kosa, manodidina ny amin’ny 12 ora alina eo vao afaka mifanao fotoana amin’io izy. Nekena izay ary efa nivonona tamin’ny angady sy ny harona ireo polisy, nanemitra ireo lalana rehetra teny Andranomanalina, toerana hihaonany amin’ity namany. Nony tonga tokoa io ora io dia tena tonga teny ity olona nandrasana, saingy zavatra hafa no niseho. Fikasàna hitsoaka teo am-pelatanan’ny polisy no tao ambadika ilay tetika ary efa nivonona ny hifanandrina amin’izay ilay namany. Raikitra teo ny fifampitifirana ary izao niafara tamin’ny fandavoana ilay efa voasambotra izao ary nahavoatifitra ilay mpiray tsikombakomba aminy. Noezahina narahina ihany moa ity farany saingy nafenin’ny elakelan-trano sy haizina nanjaka teny an-toerana. Efa nentina nihazo ny tranom-patin’ny Hjra moa ny razana, ary mbola mandeha ny savahao hikarohana ilay naratra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici