- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndranomanelatra : Moto nandeha mafy, nidona tamin’ny “talus”, maty ilay nitondra

Andranomanelatra : Moto nandeha mafy, nidona tamin’ny “talus”, maty ilay nitondra

Tsy aty an-drenivohitra ihany no manao ny ataony ireo mpitondra kodiaran-droa sasantsany, indrindra moa fa ireo mpitondra scooter. Ny harivan’ny alarobia lasa teo, lehilahy iray manodidina ny 36 taona no namoy ny ainy teo amin’ny toerana antsoina hoe Ambatomainty, Andranomanelatra, nianjera avy eny ambony moto vokatra ny fandehanana mafy.

Tokony ho tamin’ny valo ora latsaka fahefany alina tany ho any no nitranga ity loza ity teo amin’ny Pk 153+800. Lalana mahitsy ity lalana ity ary efa somary tsara ihany. Handeha hody hamonjy an’Antsirabe mantsy no izao niharan-doza izao. Araka ny fampahafantarana nataon’ireo mpitandro ny filaminana tonga teny an-toerana nisian’ny loza dia nandeha mafy dia mafy ity kodiaran-droa. Tsy tana anefa nu familiana ka niala lalana ilay fitaovana ary nifatratra teny amin’ny sisin-dalana. Potika ilay moto Kymco JR100 nentiny. Izy kosa nipitika ary nitrosona tamin’ny tany, tao anaty rà mandriaka. Nezahin’ireo mpamonjy nentina nihazo ny hopitaly tao Andranomadio ihany saingy tsy tana ny ainy noho ny hamafin’ny dona nahazo azy. Nanokatra ny fanadihadiana moa ireo mpitandro filaminana.

Fa ankoatra ity teo Andranomanelatra ity dia mpitondra moto scooter iray ihany koa no naratra mafy nidona tamin’ny fiara mpitatitra teo Talata an-tampon-tananan’Antsirabe, ny andron’ny alakamisy teo. Tovolahy mipetrala aty an-drenivohitra ity niharan-doza ity ary vokatry ny tsy fitandremana hatrany no nahatonga ny loza. Nierikerika tany aoriana ingahy ka tsy nahafehy tampoka ny famaliana ary dia nifatratra tamina taxibe nifanena taminy. Naratra mafy ary nentina nihazo haingana tobim-pitsaboana. Tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy moa ireo mpitandro filaminana ary nanokatra ny fanadihadiana mahakasika ity loz ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici