Nitrangana lozam-pifamoivoizana izay nahalasibatra kodiaran-droa indray tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny, ny alakamisy faran’ny volana teo, teo amin’ny PK49+900, toerana antsoina hoe Andranomangatsiaka, distrika Manjakandriana. Vokany, maty tsy tra-drano ilay mpitondra izany kodiaran-droa izany.
Tsy eto an-drenivohitra, tsy amin’ny lalam-pirenena fa dia efa maromaro ihany izay mpitondra môtô namoy ny ainy, noho ny lozam-pifamoivoizana izay. Tamin’ity tranga teny amin’ny lalam-pirenena faharoa ity, araka ny tati-baovao avy amin’ny zandary dia azo eritreretina ho vokatry ny fandehanana mafy, na tsy fifehezana ilay kodiaran-droa no nahatonga izany. Nivoaka ny lalana tany amin’ny ankaviany mantsy ity môtô ary nifatratra avy hatrany tao anatin’ny hantsana nisy lakan-drano, tsy dia tazana firy. Simba tanteraka tsy nisy noraisina intsony ilay fitaovam-pitaterana. Ilay mpitondra azy kosa, voatsindry tao ambany, tao anaty rà mandriaka. Efa tsy nisy aina intsony. Tonga teny an-toerana avy hatrany taorian’ny fampandrenesena natao azy ireo moa ireo zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Manjakandriana, nijery ifotony ny zava-nisy sy nanokatra ny fanadihadiana. Ny vatana mangatsiaka an’ity mpitondra môtô ity kosa dia efa nentina nihazo tranom-patin’ny hôpitaly tao an-toerana, mandram-piandry ireo havany naka azy. Marihana fa handeha hitodi-doha aty an-drenivohitra ity lehilahy 26 taona ity no izao niharan-doza izao, raha ny vaovao azo hatrany.
m.L




