- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversAndranomavo Soalala : Dahalo roa voatifitry ny zandary, ny iray maty, ny iray...

Andranomavo Soalala : Dahalo roa voatifitry ny zandary, ny iray maty, ny iray naratra

Ny faran’ny herinandro teo, raikitra ny fifandonana teo amin’ny andian-dahalo avy nanao ny asa ratsiny sy ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andranomavo, tao amin’ny tanana antsoina hoe Ambovomboay, tany amin’iny distrikan’i Soalala iny. Vokany, nisy roa tamin’ireo dahalo no voatifitry ny zandary ka ny iray tamin’izany no maty tsy tra-drano, raha naratra kosa ny iray hafa, saingy tafaporitsaka rehefa nobatain’ireo namany.

Nahazo antso ny teo anivon’ny tobi-paritry ny zandary tao Andranomavo, ny sabotsy lasa teo, mahakasika ny fisiana fanafihana mitam-piadiana izay nianjady tamin’ny tokatrano iray tao Andrafiatokana, fokontany Antsirabe, kaominina Andranomavo, tany amin’iny distrikan’i Soalala iny. Raha ny vaovao azo dia andian-dahalo teo amin’ny efa-dahy teo, nirongo basy sy fitaovam-piadiana hafa ary niravaka ody gasy no tonga nanafika tao amin’ity tokatrano ity. Lasan’ireto malaso ireto tamin’izany ny omby maromaro. Nisy nampandre avy hatrany ny zandary tao an-toerana ka tsy nisalasala ireto farany, nanao avy hatrany ny fanarahan-dia sy nanapaka ny dian’ireto olon-dratsy ireto, nampianan’ireo fokonolona tao an-toerana. Nifanehatra teo amin’io tanana voalaza etsy ambony ireo mpanenjika sy ireo nohenjehina, tokony ho tamin’ny iray ora atoandro tany ho any. Vantany vao nahita ireo mpanara-dia ireo malaso, avy hatrany dia nitifitra tsy ampihambahana. Nisy ny fifandonana. Nirefodrefotra ny basy. Efa tsara hofana amin’izany anefa ireo mpitandro filaminana ka na dia niezaka nanohitra aza ireo dahalo, tsy nahaleo akory iretsy voalohany. Nisy tamin’ireo olon-dratsy no lavo, voan’ny balan’ireo zandary. Maty tsy tra-drano ny dahalo iray, tsy fantatra anarana ary azo teny am-pelan-tanany ny basim-borona iray, izay mbola nahitàna bala « chevrotine calibre 12 » tao anatiny. Nisy tamin’izy ireo ihany koa no voa, saingy notaritarisin’ny namany, niala teo amin’ny toeram-piadiana. Nanao tongotra an-katoka nitsoaka moa izy ireo, rehefa hitany fa tsy ho resy tosika mihitsy ireto mpanara-dia. Moa, etsy andanin’izay, efa tsy nisy afa-tsy roalahy sisa izy ireo no nijoro. Navelan’izy ireo teo ny omby avy nangalariny. Azo avokoa ireto omby ireto, ary efa naverina tany amin’ny tompony.  Marihana fa tsy nisy nanombinana, na ireo fokonolona na ireo zandary, nanara-dia tamin’io fotoana io, araka ny fampitam-baovao azo. Mbola nitohy tamin’iny andro iny ihany fanenjehana ireo tafatsoaka sy ny fanaovana hazalambo azy ireo.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici